Hanao fanambrana ao amin’ny Carlton ny Amiraly Didier Ratsiraka rahampitso alarobia 5 septambra alina, raha ny loharanom-baovao azo.
Hisy kandida filoham-pirenena folo eo hiaraka aminy. Raha io loharanom-baovao io hatrany dia hitsipaka ny fifidianana hatao amin’ny 7 novambra no tanjon’izy ireo satria tsy eken’izy ireo ny hanovana fifidianana amin’ny fotoam-pahavaratra. Tsy ara-dalàna io fifidianana io ho azy ireo, ary re fa manolo-kevitra izy ireo ny hisian’ny tetezamita, ka Hery Rajaonarimampianina no atao lohany, ary ny volana mey 2019 ny fifidianana. Atao io mba hialana amin’ny ra mandriaka, raha ny hevitra manomboka voizina any ho any. Re ihany koa fa mandrisika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na HCC handray fepetra manoloana ny fihetsik’i Andry Rajoelina amin’ny famoriana olona manao propadandy izy ireo, izay iaraha-mahalala rahateo fa efa nisy ihany koa ny kandida nametraka fitoriana eny amin’ny HCC toa an’i Solo Norbert Andriamorasata, mitaky ny tsy hamelana an-dRajoelina hirotsaka noho izy efa nanongam-panjakana. Porofo mivaingana sy manamarina ny fitoriany ny Sata Afrikanina momba ny demokrasia, izay mandrara ny firotsahan’ny olona efa nanongam-panjakana amin’ny fifidianana demokratika. Vao ny sabotsy 1 septambra teo kosa anefa i Norbert Lala Ratsirahonana no somary nanome fampitandremana ireo mikendry ny hihemoran’ny fifidianana, fotoana izay nanambarany ofisialy ny fanohanana an-dRajoelina. Hifampitady izany ny samy galy fantsy ka i Didier Ratsiraka sy ny ekipany an-daniny ary ry Norbert Lala Ratsirahonana sy Andry Rajoelina an-kilany. Raha hiverenana ny tantara, ny volana aogositra 2015 no nanao valandresaka lehibe tao amin’ny Carlton Anosy ny Amiraly, ka anisan’ny noresahiny ny resaka fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Tsy levon’ny vavoniny ny tsy nisian’ny fifidianana fihodinana faharoa tamin’ny 2002. Niantso ahy ny Frantsay hoe : ampiana hanala an’i Marc Ravalomanana, ka nanaiky izany aho, hoy izy. Nampiako i Andry Rajoelina, ka nifanekena ny hoe : tsy misy ra latsaka. Rehefa vita ny fanalana an-dRavalomanana dia miverina ho Ben’ny tanàna i Andry Rajoelina, saingy tsy izay no niseho fa nisora-tena ho filohan’ny HAT, hoy ny Amiraly. Nametrahany fanontaniana ny hoe : nahoana no tsy voatifitra teny Ambohitsorohitra ry jeneraly Dolin Rasoloson ny 7 febroary izay teo aloha fa ny taoriany no voa ? Nanomboka teo no nisaraka ny dian-dRajoelina sy Didier Ratsiraka. Miketrika mafy indray ny Amiraly, izay tsy mety milavo lefona, ka ho hita eo ny tohiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.