Politique

Didier Ratsiraka Hapetraka anio ny taratasy filatsahan-kofidiany…


  • Talata 21 Aogositra 2018

Efa ho herinandro izao no nifamoivoy ny vaovao fa ho anisan’ireo kandida filoham-pirenena ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka izay efa mananika ny faha 82 taonany amin’izao fotoana.

 

 

 

Re avy amin’ireo olona mifanerasera aminy, hatramin’ny omaly hariva nikarohana ny vaovao fa ho kandida tokoa i Deba ary andrasana amin’ity anio ity ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana.Maro ny tombatomba teo aloha kely teo hoe mety hoy Tantely Andrianarivo na i José Andrianoelison no hitondra ny lokon’ny Arema, saingy raha ny hita sy ny resaka re farany omaly  dia tsy hanolotra kandida na hanohana kandida hafa ny amiraly Ratsiraka fa izy tenany mihitsy no hifaninana.Tamin’ny fiandohan’izao repoblika faha-4 izao moa ny amiraly no efa nilaza fa manana programanasa goavana, raha tsy hiresaka afa-tsy ny fanamboaran-dadllana fotsiny ohatra; milaza ho mahita famatsiam-bola goavambe ihany koa izy.Izy ihany koa dia nanizingizina fa mila tanterahana ampahibemaso ny fampihavanam-pirenena ary alefa mivantana amin’ny haino aman-jery mba ho hita sy ren’ny Malagasy rehetra.Ka asa hoe hanao ahoana indray ny paikadin’ny amiraly amin’ity indray mitoraka ity, izy izay filoha naharitra indrindra teo amin’ny fitondrana teto Madagasikara , hatreto aloha.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT