Misoko miadana ny famondronan-kery sy ny fampitoviana tadindokangan’ny mpanao politika hanemorana ny fifidianana. Raha ny loharanom-baovao voaray, misy amin’ireo kandida filoham-pirenena no miara-miketrika an’io.
Voatonona amin’izany ny Amiraly Didier Ratsiraka. Tany amin’ny fandrotsahana dosie rahateo, dia efa naneho ny tsy fankasitrahana loatra ny fanatanterahana ny fifidianana ny Arema, ary tsy indray mandeha ihany koa i Deba no naneho hevitra amin’ny tokony handaminana ny firenena aloha. Resahina ihany koa ny hikitihina ity governemantan’ny fifidianana ity mba hisy solontena avokoa ireo kandida, ho taratry ny fifampatokisana sy tsy fitanilana. Totoafo tato ho ato ny fivoriana mikaton-trano eny Mangarivotra-Faravohitra eny. Nandray anjara tamin’iny ireo mpitarika ny Hetsiky ny Fanorenana Ifotony (HFI) ahitana an-dry Pety Rakotoniaina, Rainidiana,… Misy kandida ihany koa. Ny kandida ho filoha Tabera Randriamanantsoa sy Ben’ny tanànan’Ankaraobato teo aloha Guy Maxime Ralaiseheno etsy an-kilan’izay dia nandefa fitoriana any amin’ny Filankevi-panjakana mangataka ny hanafoanana ny didim-panjakana miantso ny mpifidy handatsa-bato amin’ny 7 novambra izao. Maro ny zavatra tsy mbola milamina ao anatin’ny fifidianana amin’izao fotoana, raha dinihina amin’ny fihetsiky ny mpanao politika. Manomboka ny ketriketrika sy kotrikotrika samihafa. Etsy an-daniny anefa, misy ihany koa ny zavatra tsy milamina loatra satria re fa tokony ho nandeha teny anivon’ny Filankevi-panjakana ny raharaha momba ny fanafoanana ny fanendrena ny praiminisitra sy ny tokony hanamboarana ny firafitry ny governemanta, ary ny resaka fanemorana ny fifidianana, saingy raha ny siosion-dresaka dia nodian’ny mpitsara tompon’andraikitra tsy hita ka tsy raikitra ny fotoam-pitsarana tamin’ity herinandro ity. Voalaza fa handeha hisotro ronono moa io mpitsara io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.