Fotoana iray efa tena andrasan`ny olona fatratra ny fotoana hanatanterahana fifidianana ary tsy ny Malagasy monina eto an-toerana ihany fa ny Malagasy mpila ravinahitra na “diaspora” ihany koa na dia iaraha-mahalala fa tsy afaka mifidy.
Manoloana izany, nanatanteraka endrika fifidianana ireo mpianatra malagasy mandranto ny taranja “science politique” any Frantsa, ho mariky ny fandraisan’izy ireo anjara amin’izany ka nomena anarana hoe “Za koa hifidy” no anarana ny hetsika. Fitsapan-kevitra, na “vote symbolique” amin’ny alalan’ny aterineto no atao amin’izany ka kaonty “Facebook” mihidy sy voafehin’ireo mpianatra ireo no andraisana anjara amin’izany. Tanjona dia ny hanarahana ny fivoahan’ny voka-pifidianana aty Madagasikara no hamoahana io fitsapan-kevitra notanterahina tany an-toerana io. Marihana fa mahatratra 500 000 ireo Malagasy mila ravinahitra na monina any ivelany ary nomarihin’izy ireo tao anatin’ny taratasy fampahafantarana fa hetsika hanairana ireo mpitondra, ny amin’ny tokony hijerena akaiky ny zon’izy ireo, ity notanterahina ity. Efa dingana iray lehibe izy ity, amin’ny fanehoana ny lanjan’ny vato azo avy amin’ireo “diaspora” ireo. Amin’ny 19 desambra 2018, izany hoe datim-pifidianana ny fihodinana faharoa, dia mbola hisy ihany koa ity fahafahana mifidy ity ary hanaraka izay tetiandro amin’ny fifidianana eto an-toerana hatrany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.