Araka ny efa voalaza matetika an-gazety, ny DKM na ny Diaspora Kristianina Malagasy, tarihin’ny Pastera Dr Raliterason Ravanona, dia mitaky sy mijoro amin’ny fahamarinana sy ny fahatahorana an’Andriamanitra ary miezaka ny hisian’ny “Emergence Chrétienne”
na Fisandratana ara-kristianina eto Madagasikara, ka manao fanambarana sy mametra-panontaniana hoe: tena tany tan-dalàna ve I Madagasikara? Tena mijoro amin’ny marina ve ny HCC? Tena sahy mijoro ve ny Bianco ka ohatra iray amin’izany ny tohin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy? Tena azo itokisana ve ny vaomiera misahana ny fifidianana na ny CENI? Dia ahoana ireo tohin’ny fitakiam-bahoaka nandritra ny roa volana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey? Entina hialokalofana ve ny didy tsy azo hivalozana izay didin’olombelona, hoy ny DKM. Azo atao ve raha tsy mifanaraka amin’ny fitakiam-bahoaka ilay hoe “désobéissance civile” na tsy fankatoavana tsotr’izao avy amin’ny vahoaka? Tsiahivina fa hatrany fa ny vahoaka no tompom-pahefana, hoy ny DKM ka manoloana ny raharaham-pirenena, dia tsy manohitra ny fifidianana izy ireo, fa mitaky ny fanadiovana aloha satria ny teo ihany no teo. Tsapanay fa tsy nisy fiovana ary tsy misy misy valiny mahafa-po ho an’ny vahoaka, hoy hatrany ny DKM. Tena takian’izay ireo mafy ny hoe ahoana ny momba azy ireo izay mila ravinahitra any ivelany? Very zo ve? Takianay ny hilazana mazava ny hahafahany mifidy na tsia saingy milaza izy ireo, fa tsy mbola nisy hoe diaspora no tsy afaka hifidy izay ho filoham-pireneny izany, hoy ny DKM. Mila fanazavana izy ireo satria raha ny ao Frantsa fotsiny dia efa mahatratra 200 000. Mino izahay, fa mba hahazo valiny mahafa-po sy fanazavana haingana dia haingana, hoy ny DKM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.