Tonga an-tanindrazana ny ankamaroan’ireo Malagasy mpila ravinahitra any ampitan-dranomasina na ny Diaspora mivondrona ao anatin'ny KMMR Eoropa amin’izao fotoana.
Tonga tsy hitsangantsangana fa handray andraikitra amin’ny fanarenam-pirenena amin’ny alalan’ny fanomezan-tanana hampandany an’i Marc Ravalomanana, kandida laharana faha-25. Tsy manaiky intsony izy ireo amin'ny fanimbazimbana ny firenena. Miandrandra ny tena fampandrosoana marina ary ny Malagasy aloha, araka ilay fomba efa fitenin’i Marc Ravalomanana hatramin’izay. Vonona izy ireo hiara-kifampitantana amin'ireo Malagasy rehetra eran'ny Nosy hitondra avo ny Kandida Marc Ravalomanana, ary tsy hijanona raha tsy azo ny fandresena. Tsiahivina fa ny 29 septambra lasa teo dia nisy ny fihaonana nataon’i Marc Ravalomanana tamin’ny Malagasy tany Frantsa, izay nanehoan’izy ireo ny fahavononana hanampy amin’ny lafiny rehetra, toy ny ara-bola, ka nanokafana ny kaonty « leetchi ». Mazava amin’izao fa tsy ny eto an-tanindrazana ihany no miandrandra azy fatratra fa eo ihany koa ireo Malagasy mielipatrana manerana an’izao tontolo izao, toy ny any Eoropa sy ny any Etazonia. Tsara ny manamarika fa mahatratra hatrany amin’ny 450 tapitrisa dolara ny vola vahiny ampidirin’ireo Malagasy mielipatrana manerana izao tontolo izao ho an’ny firenena, izay tena manan-danja raha vita ny manompana azy amina tetikasa mahomby sy mamokatra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.