Politique

Dian-dRajaonarimampianina tany Madirovalo Mahalasa saina ihany !


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

Ny taona 1972 no nalefa “stazy” tany Madirovalo, tanàna iray any Ambatoboeny, ry Dama ao amin’ny tarika Mahaleo sy ireo mpianatry ny oniversite niaraka taminy tamin’ny fotoan’androny, raha ny fanazavan’ity mpanakanto anisan’ny ho kandida filoham-pirenena ity.

Nahaliana ireo mpianatra ny tantaran’Iadamalandy izay mpanjaka mena, taranak’ireo mpanjaka taloha. Izy no raiamandrenin’ny tanàna mpitantana ny fomban-drazana hatramin’izay ka hatramin’izao. Ambony noho ny fitondram-panjakana tarihin’ny lehiben’ny firaisana io any an-toerana, raha ny fanazavany hatrany. Maro ireo nangata-pitahiana tao anatin’ny Zomba izay misy an’Iadamalandy no hita ho toa nahazo fitahiana ary na ireo mpianatry ny oniversite aza, araka ilay tononkiran’ny tarika Mahaleo, dia tsy naharitra fa mba nangataka izany ihany koa. Toy ny toera-manan-kasina rehetra dia manana ny fadiny i Madirovalo, toy ny hoe tsy mahazo mitantara amin’ny olona izay tranga voarara hitany ao an-toerana izay mandalo any. Raha tsiahivina moa dia tonga nitsidika tany an-toerana ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina mivady ny 17 mey teo ary nahazo tso-drano tamin’ny taranak’ity mpitondra ny fahefan-drazana ao an-toerana ity, raha ny fampitam-baovao. Vaovao mety tsy dia nanaitra firy ny olona, saingy niteraka adihevitra tsy mety vita kosa eo amin’ireo izay mahalala tsara ny tantara sy ny fomban-drazana. Nangata-pitahiana tao mba haharitra eo amin’ny fitondrana ve sa ahoana ? Maha lasa saina a !

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT