Daty manan-tantara ny 10 aogositra ho antsika eto Madagasikara satria tsingerintaona nitrangan’ilay diabe ho an’ny fahafahana izay nataon’ny vahoaka Malagasy tamin’ny taona 1991.
Raha tsiahivina, tapa-kevitra ny vahoaka teo amin’ny kianjan’ny 13 mey fa hanao diabe eny Mavoloha ny 10 aogositra 1991 hanatitra ireo lohandohan’ny mpisorona hifampiresaka amin’ny filoham-pirenena tamin`izany fotoana, Didier Ratsiraka, mikasika ny fitakian’ny vahoaka. Pilotra, basy, vanja milevina, grenady no niandry sy namonoana ireo vahoaka tanam-polo ary vao tany amin’ny 1 km miala ny lapan’i Mavoloha no nitifirana azy ireo. Vokany, maro ny maty sy naratra, nandriaka ny ra teny amin’ny lalana mihazo an’i Mavoloha. Marobe ny isan’ny namoy ny ainy sy naratra ary nafenimpenina ny isa marina fa nosarontsaronana ho amin’izay mahamety ny fitondran-dRatsiraka. Malagasy marobe no nitaky fahafahana sy fiovana ho an’ny tanindrazany tamin`izany fotoana. 58 taona nahaleotena kanefa tsy hitan’i Madagasikara hatrany ny firafitra voafaritry ny lalàna sy ny fomba fanaovana politika niantoka ny fahamarinan-toeran’ny fahefana. 27 taona lasa izay no nandripahan'ny Amiraly Didier Ratsiraka olona teny Mavoloha sady nandrodanana ny “Mandan’i Jeriko” na ny fanoheran’ny vahoaka ny fitondrana tamin`izany, izay nanjakan’ny jadona sy ny tsy refesi-mandidin’ny fitondra-miaramila. Afaka ve anefa isika Malagasy ankehitriny ? Ireo fikomiana sy fifandonana nifandimby niantoka ny fifandimbiasan-toerana dia mametra-panontaniana amintsika indray. Tonga izao angamba ny fotoana hamaranana ny fivarinana izay manamarika ny fivoaran’ny firenena, hatao marin-toerana ireo andrim-panjakana ary hahitsy ny fomba amam-panao politika. Ny tsy fahamarinan-toerana politika, toekarena ary sosialy eto Madagasikara dia vokatry ny teoria nandraisana ny fahefam-panjakana sy ny fampiasana io fahefana io.
Marigny A.
2-3
Tsiahy 10 aogosoitra 1991, diabe ho an’ny fahafahana, efa afaka ary ve i Madagasikara 27 taona aty aoriana ?
ary tsy fanafihana lapa tsy akory ny diaben'ny fahafahana fa ny Amiraly no niantso sy nilaza fa misokatra midanadana ho an'ny rehetra ny varavarana.
Ny lasa tsy fanadino ary tsy ho verivery foana tsy akory ny ra nalatsaka tamin'izany fa mbola hifoha ny Malagasy ary hanohy ireo tolom-panafahana rehetra natao teto na dia atao foana aza ny handotoana sy hanimbana ilay atao hoe «tolom-bahoaka» ary izay efa nadatsa-dra teto tsy ho afa-maina izany.
(Mavoloha no tena anaran'ny tanàna taloha fa taty aoriana dia io navadika ho Iavoloha io)
nitakiana ny fahafahana hisian’ny demokrasia teto amin’ny firenena izay nanjakan’ny didy jadona nandritra ny fitondran’ny filoha teo aloha ny Amiraly Didier Ratsiraka tao anatin’ny 16 taona .
Antony maro no mahatonga izany, tompon’antoka voalohany amin’ny nahafatesana sy nampitondra takaitra olona maro tamin’ny 10 aogositra ny nitarika olona ho eny amin’ny lapam-panjakana amin’ny maha faritra mena azy, vokatr’izany, ireo mpitaritolona no lasa nitantana ny firenena tamin’ny taona 1993 rehefa niala teo amin’ny sezany ny Amiraly , tsy te hosaringotina ireo mpitondra nanomboka teo ka dia naleony nangina
Feno 27 taona sahady izay ny nitrangan’ny hetsi-bahoaka tamin’ny 10 aogositra 1991,
Ny mampalahelo dia tsy misy mahatsiaro intsony ankehitriny ny ra nalatsak’ireo Malagasy nitolona tamin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.