Na misy na tsy misy alalana dia tsy maintsy hotontosaina ilay diaben’ny fitiavan-tanindrazana amin’ny sabotsy izao. Notsindrian’Atoa Alain Ramaroson, mpitarika ny hetsika izany omaly ary nampatsiahiviny fa zon’ny vahoaka feno ny maneho ny heviny eny an-dalambe.
Ho fanairana ny mpitondra amin’ny tori-masony ary voalazan’ny lalàmpanorenana rahateo izany, hoy ny fanambarany. Amin’ny alalan’io diabe io no entina anehoana amin’ny mpitondra fanjakana fa tsy zakan’ny tsy mandady harona intsony ny adim-piainana ka tokony hitady vahaolana haingana ny mpitondra. Araka ny vaovao voaray dia efa nahazo alalana tamin’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ity mpanao politika fanta-daza ity raha mbola miandry ny vokatry ny fivorian’ny OMC (Organisation mixte de conception) Antananarivo kosa ny prefen’ny polisy vao hanapa-kevitra. Mbola hojerena sao manelingelina ny fahalalahan’ny hafa izany, hoy ity farany. Dia amin’ny sabotsy izany mifankahita.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.