Zary ririnin-dasa tsy tsaroana ny raharaha 10 aogositra 1991, nisian’ilay diabe notarihin’ny
Hery velona Rasalama niazo an’i Mavoloha izay niafara tamin’ny ra mandriaka sy nahafatesana olona maro vokatry ny tifitra variraraka nataon’ny mpiandry lapa, 23 taona lasa izay. Andro alahady ny 10 aogositra tamin’ity, ka mety ho izay koa angamba no nampangingina ny tsiahy. Mbola maro ny tsy mazava ao ambadik’iny raharaha iny, iza no tena tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona, firy ny isa marina tamin’ireo namoy ny ainy … sa efa navalon’ny tantara ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.