Politique

DFP sy FDC Miantso ny miaramila


  • Alakamisy 31 Mey 2018

Tsy azo iainana, hoy ry zareo avy eo anivon’ny Dinika ho Fanavotam-Pirenena (DFP) sy ny « Force De Changement » (FDC), omaly, tetsy amin’ny Tana hotel Isoraka, iny didy navoakan’ny HCC iny fa tsy hoe tsy azo ivalozana.

Na ny fidirana amin’ny hoe i « Zokibe Rivo » no hakarina ho filoham-pirenena na hoe mijanona ho filoham-pirenena i Hery Rajaonarimampianina dia samy fantatry ny HCC fa tsy azo iainana daholo. Tsy ilay resaka fampiatoana ny filoha ihany no olana teto fa ireo kolikoly marobe koa. Tokana ny vahaolana, hoy i Tolojanahary Maharavo na Doudou, izay mpitarika ireto hetsika 2 ireto, dia ny fidirana amin’ny fanelanelanan’ny miaramila. Fanapahan-kevitra ivelan’ny lalàmpanorenana no noraisin’ny HCC na fanapahan-kevitra politika ary ny krizy rehetra na ny tamin’ny 1972, 1991, 1998, 2002, 2009 dia vahaolana ivelan’ny lalàmpanorenana avokoa no namahana azy. Raha ny mpitondra sy ny mpanao politika mpitily seza lava izao dia hifandainga eo fotsiny foana ka noho izany dia manao antso avo ny miaramila izahay mba tsy ho maty momoka ny tolom-bahoaka, hoy hatrany ny DFP sy FDC hampanatanteraka haingana ireo mpanao politika ireo fifanarahana politika tokony hatao.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT