Niova endrika kely, ary nihamafy hatrany ny tolom-pitakiana ny fialan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Niainga teny amin'ny Boriborintany 6 manerana an'Antananarivo ny diabe nihazo ny kianja 13 mey.
Nialoha ny teny an-kianja anefa dia mbola nifamotoana sy nirohotra niaraka tamin’ny depioten’ny fanovana teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Anosy ny vahoaka, indrindra fa ny avy amin’ny Boriborintany I sy IV. Napetraka ny fitoriana ny governemanta teo anivon'ny filankevi-panjakana (Chambre Administrative) tamin'ilay didy navoakany fa tsy azo anaovana tolona ny any amin'ny faritany 5, mba hisakanana ny toy ny tamin'ny sabotsy lasa teo ka naharakotra vahoaka tany Fianarantsoa, Toliara, Toamasina, Mahajanga sy Antsiranana. Zo fototra ny fanehoan-kevitra koa maninona no tapenam-bava ny any amin'ny faritany ? Tsy ekena ny tsindry hazo lena, ny mizana tsindrian'ila, hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Vao mainka nampirisihina sy notsindrian'ny depiote 73 fa hatao foana ny hetsika manerana ny Nosy. Ny tolona hatao dia milamina, tsy mandatsa-dra, tsy mandroba. Mazava ny fanambarana dia ny hoe : “Ny depioten’ny fanovana dia tsy hitondra anareo any Iavoloha izany, fandriky ny HVM izany” manoloana ny fivoizana resaka hafahafa. Nisy ny tatitra momba ny fihaonana tamin'ny solontenan'ny sekretera jeneralin'ny firenena mikambana. Nanome lesona anay ry zareo. Ny navalinay azy dia hoe tsy ny lesona eto Afrika no ampianarinareo anay fa hainay izany, hoy i Hanitra Razafimanantsoa. Tsotra ny fitakianay, dia ny fialan-dRajaonarimampianina, Rakotovao Rivo, Mahafaly solonandrasana sy ny governemanta. Mila ovaina ihany koa ny CENI na ny Vaomiera misahana ny fifidianana. Nialoha ny fihaonana teny an-kianja moa, dia nanatitra porofo teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana ny amin'ireo depiote izay notendren'ny Antenimiera fa hisolotena azy ao amin'ny Haute Cour de Justice ny mpitolona. Araka ny lalàna 2014-043, dia depiote 4 no efa natolotra, ka ny 2 tompon-toerana ary ny 2 mpisolo toerana. Na dia efa nanolotra aza izy ireo hatramin'izao dia tsy natsangan'i Hery Rajaonarimampianina ihany io rafi-pitsarana voalazan'ny lalàmpanorenana io. Etsy an-daniny, ny fahasahiranam-bahoaka nandritra izay efa-taona izay tsy hita izay vahaolana, misakafo ambany foitra ny vahoaka, tsy afaka mitsabo tena ara-dalàna ny fianakaviana Malagasy, tsy ampy ny hoenti-manana hampianarana ny zanany. Misy minisitry ny mponina, minisitry ny fahasalamana nandritra ny efa-taona fa tsy nahita izany, ka ampy izay efa-taona izay fa mila fanovana isika, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Hihamafy hatrany ny hetsika anio, ary andrasana izay ho vokatry ny fandrarana any amin’ny faritany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.