Politique

Depioten’ny fanovana Nitory ny praiminisitra sy zanaky ny filoha


  • Zoma 25 Mey 2018

Nanamarika ny andron’ny tolona teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey omaly ny fametrahana fitoriana ny praiminisitra Solonandrasana Olivier momba ny kolikoly avo lenta sy Mathieu Rakotoarimanana, zanaky ny filoha noho ny resaka afera tsy mazava maro.

 


 Anisan’izany ny firaisana tsikombakomba tamin’i Claudine Razaimamonjy, izay tsiahivina fa nisy ny fangatahana fanadihadiana ny praiminisitra natao teny amin’ny HCC, saingy tsy hita aloha izay tohiny hatreto. Ny mpampanoa lalàna Razafimelisoa Balisama no nandray azy ireo. Isika tsy mankasitraka ny kolikoly sy ireo mpitondra mpanao kolikoly, ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana, ny fanaovan’ny mpitondra sy ireo olona manodidina azy ireo tantely afa-drakotra ny vola sy harem-pirenena, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Haneho hery eny amin’ny 13 mey ny depiote tsy voavidim-bola sy ny vahoaka tsy voavidin’ny voamaina sy sakafo na vola kely tsy mahavita taona rahampitso. Asehontsika fa ny hery tsy mahaleo ny fanahy. Tsy ampy ny filazan’ny HCC fa nitombina ny fitorian’ny depiote 73 ary afaka milatsaka hofidiana avokoa ny rehetra fa mila miova ny mpitondra hanao ny fifidianana malalaka sy mangarahara, ary mahatoky fa hoeken’ny rehetra ny valim-pifidianana, hoy hatrany io depiote io. Eo anatrehan’ny fihetsiketseham-bahoaka mampihozongozona ny fitondrana moa, dia mba hamory vahoaka etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ihany koa ny HVM rahampitso mba hilazana fa mbola mamim-bahoaka na mivaivay aza ny tolona etsy amin’ny 13 mey, izay mitaky ny fialan’ny filoha. Mandeha indray ny vavabe isan-karazany. Efa nilaza ohatra ny depiote voafidy tany Toliara Helson Brisson Erafa, fa tsy olona 2000 na 5000 eny amin'ny 13 mey no handeha hampiato ny asan'ny filoham-pirenena satria tena niasa sy nahavita zavatra maro ny filoham-pirenena, hoy izy. Raha tena niasa tsy ny fanjakana tsy misy mpanaraka ny tolon’ny 13 mey. Eo amin’ny filazana fa 2000 na 5000 indray, dia toa minia jamba tanteraka, ary raha atao hoe izay tokoa aza ny isa, dia olona resy lahatra sy mangetaheta fiovana ireo, fa tsy olona vidiana 5000Ar miampy tsaramaso sy kabaro ary vary tsy mahavita taona mba hameno kianja e ! Hifanindry sy hifampidera taim-by izany ny etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey sy ny eny amin’ny Coliseum Antsonjombe rahampitso sabotsy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT