Politique

Depioten’ny fanovana “Hofongorina tanteraka ity fanjakana ity”


  • Talata 29 Mey 2018

Mitohy tsy miato ny tolona eny amin’ny 13 mey anio. Tsy mbola tena vita ny tolona, hoy ny depioten’ny fanovana. Maro ny fandresena azontsika, isika no nahavita namaky ny kianjan'ny 13 mey, tsy nahasahy nanilika antsika teto intsony ny mpitandro ny filaminana, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa.

Afaka mirotsaka ho kandida filoham-pirenenana ny kandidantsika kanefa mila ovaina daholo ny Vaomiera misahana ny fifidianana (CENI), lehiben’ny distrika, talem-paritra,... raha ny fanazavany. Hiatrika fifidianana isika, hoy izy, ary nandidy ny handrosoana ny fifidianana ny HCC izay ny governemanta sy ny CENI no lazaina hanao izany. Tsotra sy mazava anefa ny hafatra fa tsy atokisana ka mila ovana io CENI io. Mbola manahy ny depioten’ny fanovana fa mbola afaka ny hampiasa ny kajy malotony amin’ny alalan’ny filalaovana ny rafi-panjakana eny ifotony ny HVM, ka izay no anton’io fanovana hatrany amin’ny rafitra ambany io. Nanao antso ho an'ny mpiasam-panjakana, jirama, ny mpiasan’ny tahirimbolam-panjakana, ny sampandraharahan’ny hetra, mpanabe,… fa tsy vita ny tolona, ary miandry baiko eto amin'ny kianjan'ny 13 mey ianareo, hoy izy. Momba ireo depiote mpamadika palitao dia nambaran'ny depiote sady mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa, fa hametraka fangatahana didy fampiatoana ho azy ireo koa eny amin'ny HCC anio talata 29 mey ny depiote ho an'ny fanovana. Ho raikitra indray ny diabe. Nampitandrina ireo minisitra sy manampahefana efa handao ny sezany ihany koa ny eny an-kianja hoe ajanony ny famoahana entana any anaty minisitera any. Ajanony ny famoaham-bola samihafa, ajanony ny fifanarahana isan-karazany fa aleo miandry minisitra vaovao. Ajanony ny famindrana faneva ho anareo any amin'ny filaminam-bahoaka. Farany, rehefa tafatsangana ny governemanta vaovao dia hanapaka ny lohany isika, hoy hatrany ny depiote voafidy tetsy amin'ny boriborintany voalohany ity. I Hery Rajaonarimampianina, izay ahiana mbola hanalokaloka ny governemanta eo io lohany io.

Fanendrena praiminisitra

Nanizingizina ny depioten’ny fanovana fa miainga avy amin’izy ireo ny fanendrena praiminisitra sy fananganana governemanta. Isika no nandrava ny governemanta sy praiminisitra, ka tsy misy intsony ny governemanta HVM. Tsy misy fihoaram-pefy nataontsika, tsy niala tamin'ny lalàna isika, hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Tsy ianareo depiote milaza ho maro an'isa be kolikoly ireo no hanendry ny praiminisitra satria tsy ianareo no nanao ny “déchéance”, hoy hatrany izy.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT