Manomboka anio alatsinainy dia hitohy hatrany ny tolona eny amin’ny 13 mey sy any amin’ny Faritany miisa 5 eto Madagasikara, hoy ny toromarika teny an-kianja tamin’ny alalan’ny depiote Tody Arnaud ny sabotsy teo.
Hanamafy ny tolona ny sendika maro, ary hikatona ihany koa ny minisitera rehetra tsy hisy hiasa, hoy hatrany io depiote io satria efa tsy an’ny HVM intsony rahateo ny fahefana taorin’ny didin’ny HCC. Hitory an’ireo depiote namadika palitao sy nanao kolikoly, ka hitaky ny fanesorana azy ireo amin’ny toerany ireo depioten’ny fanovana. Raha ny voalazan’ny lalàmpanorenana ao amin’ny adininy faha-72 moa dia tsy mahazo manao fivadihana ara-politika ny solombavambahoaka. Nisy izany raha dinihina ny teny amin’ny antenimieram-pirenena hoe ny HVM, izay tsy nanana na tamingana depiote no lasa nanana vondrona parlemantera sadasada. Sady efa nanao kolikoly no namadika palitao, ary efa tokony hipitrapitrapitra, kanefa mbola nandranitra antsika teny amin’ny amin’ny Coliseum, ka mila miala amin’ny antenimiera ireo, fa manalabaraka ny vahoaka Malagasy sy ny depiote tsy nanao kolikoly, hoy hatrany i Tody Arnaud. Efa hatry ny ela no nalaza io resaka kolikoly io saingy hatreto, tsy nisy na depioten’ny fitondrana na iray aza sahy nametraka fitoriana hoe manala baraka azy ireo izany, izay toa azo adika fa mitombina sy marina ny kolikoly avo lenta. Ankoatra izay, mila mitandrina mafy fa mety hahavita zava-doza ireo mpitondra noho ny fahefana esorina eo am-pelatanany, hoy izy. Raha ny vaovao azo dia mitomany i Hery Rajaonarimampianina ary i Voahangy manambitamby azy, hoy hatrany ity depiote ity. Ny zavatra mety hisy sy mila tandremana, hoy izy, dia mety hahavita zava-doza ny ao amin’ny fitondrana satria tsy faly noho ny fahefana sy ny fitondrana afaka eo am-pelatanany. Mety hiteraka fanakorontanana eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany. Miantso ny foloalindahy hanamafy ny fitandroana filaminana eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, araka izany, ny depioten’ny fanovana. Miantso ny Prefe ihany koa hanala ireny resaka faritra mena ireny fa tsy misy izany intsony eto Madagasikara, hoy ity depiote ity. Andrasana ny ho tohin’ny tantara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.