Politique

Depioten’i Soavinandriana Hoditr’akondro ny mifandambolambo


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2015

Raharaha maika ity niantsoana anay hotapahina amin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ ny solombavambahoaka ity ka tonga izahay ary vonona, hoy ny depioten’i Soavinandriana Harinosy Rabenerika Charlot

 

. Tena tsara izao fifampiresahana eo amin’ny samy tompon’andraikitra izao, hoy izy, fa ianareo mpampahalala vaovao no efa manizingizina fa tafiditra anaty fahasahiranana ny vahoaka malagasy ka tsy tokony hatoritory mihitsy. Tena nisy ny tsy fifankahazoana teo aminay samy solombavambahoaka, nisy koa ny olana teo aminay sy ny mpanatanteraka …  Tokony ho natao tamin’ity koa ny fandinihana ny LFR nefa ity CENI ity izany no laharam-pahamehana fa mbola azo dinihana afaka tapa-bolana any anatin’ny fivoriana ara-potoana ho avy io. Roa taona latsaka izao izahay rehetra no teo amin’ny fitondrana, hoy ity solombavambahoaka ity, aleo dia tsorina fa tsy ampy ny vita fa tsy hoe tsy nisy tsy akory. Tena namatrapatratra ny vahoaka nahita anay nametraka ny ho ben’ny tanàna indray tamin’ny fifidianana farany teo fa nolazainy hoe io indray ianareo nefa ny lalana nampanantenaina aty aminay tsy vita akory, ny sekoly sy hopitaly tsy mitsangana, ny barazy tsy vita nefa ho avy ity ny fotoam-pambolena … Mampieritreritra izany tenin’ny vahoaka izany mba hanitsiana ny dia fa ny mifandambolambo lava dia fanipazana hoditr’akondro.  Raha ny amin’ilay « mémorandum » aloha dia tsy mbola hitanay Mapar nefa raha tonga eo izany azo hifampiresahana sy hifandresen-dahatra tsara eo aminay samy izahay tahaka ny nanaovana fifidianana kaominaly teo ihany ary izahay koa mbola mitsinjo ny 2018 e !

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT