Politique

Depioten’Antananarivo Renivohitra Manohana an’i Neny


  • Alarobia 21 Oktobra 2015

Vonona hanohana ny ben’ny tanŕna Rtoa Lalao Ravalomanana amin’ny fandaharanasany hanarenana an’Antananarivo Renivohitra sy hanomezana fiainana mendrika sy tsara kokoa ho an’ny mponina ao aminy ireo depioten'Antananarivo.

 

Nisy ny fihaonan’izy ireo, nifampiresahana sy nampitoviana ny tadin-dokanga ka ny  Depiote Felix Randriamandimbisoa (boriborintany faha-4) no tompon-kevitra tamin’izany. Efa nampiseho ny firaisankinany nanoloana ilay fikasana hampizarazara an’Antananarivo ireto solombavambahoaka ireto tamin’ny fotoan’androny  dia izao niray feo izao indray ho amin’ny tombontsoa iombonana. Ny TIM sy ny MAPAR moa no mandrafitra 100% ny depiote voafidy eto an-drenivohitra. Na eo aza ny mety ho fahasamihafan’ny firehan-kevitra politika eo amin’ny roa tonta dia hitovian-kevitra kosa ny tsy maintsy hanarenana ny renivohitr’i Gasikara. Tsy tokony hisy olana izany ny asa ataon’ny kaominina isaky ny boriborintany sy ny fokontany satria hitondra ny anjara birikiny ho amin’izany ny depiote.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT