Manizingizina ireo solombavambahoaka voafidy teto Antananarivo renivohitra nandritra ny fivorian’izy ireo omaly fa tsy maintsy asiam-panitsiana ilay volavolan-dalŕna momba ny tanŕnan’Antananarivo renivohitra, ka aleo ny ben’ny tanŕna ihany no manendry ny delege eny amin’ireo boriborintany enina ary manampahefana feno amin’izy ireo.Mitondra ny hevitry ny vahoakan’Antananarivo nifidy anay izahay hoy ireo
solombavambahoaka ireo ka manana adidy hihaino anay ny fitondrana foibe fa tsy hanao be marenina.Milaza ny hanolotra volavolan-dalàna iray ho dinihana eo anivon’ny asam-baomiera anio talata ary atolotra fivoriambe avy eo ireo depioten’Antananarivo renivohitra ; mbola nanitrikitrika koa izy ireo fa tsy niitatra lava be tahaka izao ny raharaha raha toa ka tany am-boalohany dia efa niresaka sy nifanakalo hevitra tamin’ireo olom-boafidy ny minisiteran’ny atitany fa tsy namolavola samirery ilay volavolan-dalàna ; hentitra ny tenin’izy ireo fa dia hiady hatramin’ny farany ny fanajana ny hetahetam-bahoaka sy ny lalàna ka tsy hanaiky lalàna tandrametaka na sampona na misy kajikajy politika momba ny fitantanana n y renivohitra.Efa nisy ihany koa moa ny fifampiresahan’ireto solombavambahoaka voafidy teto Antananarivo renivohitra ireto tamin’ny solontenan’ny mpiasn’ny kominina sy ny solontenan’ny sefo fokontany eto an-drenivohitra ka nanangonana ny hevitr’izy ireo momba ity sata manokana hifehy an’Antananrivo ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.