Manaitra ny fitondram-panjakana izahay any amin’ny Faritr’Alaotra Mangoro, hoy ny depiote voafidy avy ao amin’ny distrikan’Amparavola, ny amin’ny fiainam-bahoaka any an-toerana. Rehefa nifanaraka mantsy
hoy izy, tao anatin’ny fivoriana niaraha-nanao ny mpanolontsaina rejionaly sy ny Faritra ary ireo mpandraharaha ara-toekarena tany an-toerana dia tapaka fa tsy halatsaka ny 600 ar ary tsy hihoatra ny 800 ar ny vidin’ny kilaon’ny vary akotry any amin’ity sompitr’i Madagasikara ity ary lehibe nifanaiky ny rehetra tao anatin’izany. Amin’izao fotoana izao anefa, hoy ity solombavambahoaka ity, dia midina be ny vidim-bokatra any an-toerana tena tafalatsaka 500 na 550 ar noho ny fitobahan’ny vary hafarantsika avy any ivelany. Ka vahaolana aminay any Antsihanaka dia tokony hatsahatra aloha ity fanafarantsika vary ity fa hivelomana ny vokatra eto an-toerana. Mila fifanarahana mazava sy matotra eo amin’ny ministeran’ny varotra sy ny mpandraharaha ara-toekarena ary ny tantsaha izany. Tena mahatsiaro sahirana ny mpamboly, hoy ny depiote Rabekijana, fa fotoana famerenana ny vola nosamborina tamin’ireo rafitra mpampindram-bola isan-tsokajy izao vaninandro misy antsika izao. Mila fanampiana mivantana amin’ny fitondram-panjakana ny tantsaha mpamboly fa tsy vitan’ny fitanisana ny hoe 80 % ny mponina eto Madagasikara dia mpamboly avokoa fotsiny. Nomarihan’ity depiote ity moa fa ao anatin’ny foara “Lapabe faha-6” ankehitriny ny any Alaotra nanomboka nisokatra omaly alakamisy (ho marihina ofisialy ny sabotsy ny fisokafany) ary hifarana ny alahady ho avy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.