Tonga nanolotra ny anjara birikiny ho an’ireo fokontany 31 eny amin’ny Boriboriintany faha-VI nahalany azy koa ny alakamisy 25 jona teo, ny solombavambahoaka Raherisoa Vololona Victorine,
mba hoentin’izy ireo mianoka am-pifaliana ny fetin’ny fahaleovanteny Malagasy. Zokiolona 200 no notolorana bodofotsy tsirairay avy ary harendrina 1000 kosa nozaraina tamin’ireo kilonga teny an-toerana. Marina fa na dia mpanao lalàna aza no tena asan’ny tena dia tsy maintsy mijery ny sosialim-bahoaka izahay depiote, indrindra amin’ny fety lehibe tahaka izao. Tazana teny amin’ny lanonam-panjakana teny Iavoloha sy teny amin’ny matso natao teny Mahamasina ny tena amin’ny maha olomboafidy ny tena manaja ny raiamandreny filoham-pirenena izay nanome fanasana manokana ho anay depiote tsy an-kanavaka araka ny fahafantarako azy. Manaporofo ny hevitra noraisin’ny tena koa izany fa mbola manohana ny filoham-pirenena amin’ny ezaka fampandrosoana ny firenena himasoany ny tena ka efa nitsipaka hatrany am-boalohany ny “motion de décheance” nataona namana depiote sasantsasany teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena farany teo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.