“Ho an’ny praiminisitra … izao ny hafatray aminao hoe fantatray fa novidianao daholo ny tanàna eny Ambohibao Ivato, izay nanaovana Villa miisa 5 amin’izao, ka ianareo Bianco miantso anareo aho hijery hoe ohatrinona loatra ny karaman’ny praiminisitra ka hahavidianany villa 5”, hoy ny depiote Tinoka Roberto, teny amin’ny 13 mey ny sabotsy teo.
Mampitandrina anao Mahafaly fa tsy mahafaly ny vahoaka ny zavatra ataon’ialahy io, hoy ny teny manivaiva tanteraka ny lehiben’ny governemanta. Efa tsy an-kitsitsy sy tsy misy ankatahotra intsony izy ity, ka dia andrasana ny tohiny. Raikitra ny fifanitrikitrihana sy ny fifamoahana dosie, ka andrasana izay mety ho fanazavan’ny praiminisitra eo anatrehan’iny fanambaran’i Tinoka Roberto. Hahasahy hiaro tena sa hisafidy ny hangina ? Tsara ny mampahatsiahy fa efa nisy ny resaka volabe very tao an-tranon’ity praiminisitra ity, saingy nanitrikitraka izy fa tsy nisy izany. Nivoaka indray ny vaovao taty aoriana fa nisy ny vola 800 tapitrisa very tao an-tokantranony ary olona 6 no naiditra am-ponja. Praiminisitra tranon-dainga no azo hanasokajiana azy, raha ny resaka nataony no dinihina. Tsara ny mampahatsiahy fa nangatahan’ny depioten’ny fanovana ny hanaovana fanadihadiana azy amin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy, izay toa manaporofo hatrany fa tsy atoro voanjo hadiana amin’ny resaka kolikoly ingahy praiminisitra. Tsy mety voadaka amin’ny toerany anefa izy hatreto. Samy manao angamba ...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.