Politique

Depiote TIM Nandray toromarika teny Faravohitra


  • Zoma 19 Jona 2015

Mialoha ity fihaonany tamin’ny solontenan’ny vondrona Afrikanina omaly maraina dia nifampidinika vao maraina tamin’ireo depiote avy ao amin’ny Tiako I Madagasikara Atoa Ravalomanana, izay filoha nasionalin’ity antoko ity moa.

 

 Mahakasika ny toe-draharaham-pirenena izay mafampana amin’izao andro ririnina izao ny votoatin-dresaka ary mbola nanamafisana indray fa ilain’ny firenena ny fitoniana. Tsy natrehan’ny mpanao gazety moa ny fihaonana saingy azo antoka fa tsy maintsy nisy ny toromarika nomen’ny filoha nasionalin’ny TIM ireto solombavambahoaka ireto noho ny fihazakazaky ny toe-draharaha politika. Mikaroka ny vahaolana rehetra hampilamina ny TIM  mba hahafahana manarina ny toekarena eto Madagasikara izay efa tena latsaka an-katerena tanteraka. Manaiky ny fanapahan-kevitra navoakan’ny HCC ny Tiako i Madagasikara ary vonona amin’ny fifampiresahana mba hamahana izay olana misy. Tsy vahaolana ny fidinana an-dalambe na fanonganam-panjakana, ary tsy izany mihitsy no foto-kevitra ijoroanay, hoy ireo solombavambahoaka TIM. Tsy ampihambahambana intsony noho izany no ilazana fa tsy anisan’ireo hanentana ny olona hidina an-dalambe na mbola hila vanona ka hitory ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny solombavambahoaka TIM, fa efa iny ny didy nivoaka dia izay no izy. Ny fomba hiatrehana ny fiainam-pirenena ao anatin’ny fitoniana sy filaminana indray izao no imasoana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT