Manoloana ny zava-misy mitranga eto amin’ny firenena izay mifandraika amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena teo dia
tsikaritra ho efa mivonona amin’izay zavatra mety hiseho ireo depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara raha ny firesak’izy ireo tetsy amin’ny lapan’i Tsimbazaza omaly. Toy izao ny santionan’ireo fanehoan-kevitra :
Clarisse Rasendramiadana, depioten’ny boriborintany fahadimy :
« Misaotra ny malagasy tonga nifidy, indrindra fa ny mponin’ny boriborintany fahadimy. Maro ny lesoka hita tamin’iny fifidianana iny saingy mandala ny lalàna isika ka aoka samy ho tony. Raha sendra ny tsy azo hanoharana dia aleo miomana amin’ny fandraisana ny toromarika am-pahendrena. » (sary : 1)
Voahangy Raharinirina, depioten’Atsimondrano :
« Amin’ny maha depioten’Atsimondrano ahy dia misaotra ny vahoakan’Atsimondrano aho tamin’ny niatrehany ny fifidianana tamim-pahatoniana. Nandresy isika tao. Mety misy ny tsy fetezan-javatra fa na izany aza dia misaotra antsika tamin’ny fandraisana anjara nanefa ny adidiny. Be ny olona tokony hifidy ny kandida laharana faha-25 tsy tafiditra tao anaty lisitra. Miantso ny vahoaka hiaro ny safidiny fa tsy hanaiky hanaovana jiolahimboto sy lohamboto. » (sary : 2)
Nanangona : J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.