Politique

Depiote sy tanora TIM Raikitra ny diabe mitety an’Antananarivo


  • Zoma 14 Septambra 2018

Raikitra ny diabe mitety vohitra tarihin’ny solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny Antoko Tiako I Madagasikara amin’izao fotoana ary manohana mavitrika amin’izany ireo mpikatroka sy tanora maro.

 

 

 

 

Tanjona amin’ny hetsika ny fampahafantarana ny Kandida Marc Ravalomanana, izay mitondra ny laharana faha-25 ao anatin’ny bileta tokana amin’ny fifidianana hatao ny 7 novambra izao. Omaly, dia teny Mahamasina, Ambohijanahary, Anosibe, Andavamamba, Ambodinisotry, 67Ha no nolalovana, ka nisy ny tafatafa samihafa natao tamin’ny mpivarotra, ny mpiantsena,… Mametrapetraka ny paikadiny amin’ny fifidianana izany ny avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara, ary manomboka mifampizara andraikitra ao anatin’ny fampahafantarana fa i Marc Ravalomanana ihany hatreto no manana ny fahaiza-manao sy afaka hanarina ny firenena. Nafana ny ambiansy tao anatin’izany rehetra izany satria tamin’ny tsikitsiky sy hafaliana no nandraisan’ireo olona rehetra nolalovana an’ireo depiote sy ny mpikatroka avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara ireo. Nafotaka ny fakana sary samihafa. Nianjaika ny fanamiana na ny “T-shirt” misy ny sarin’i Marc Ravalomanana rahateo izy ireo, ka tsy sarotra ny namantatra azy. Mbola santatra ambavarano ihany izao, fa ny manetsabe mbola ho avy satria tsy mbola ao anatin’ny propagandy rahateo isika.

 

Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT