Nitaky ny fampiharana ny fitantanana mangarahara eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny ny ankamaroan’ireo depiote tonga nivory teny Tsimbazaza omaly
. Tokony hampiharina eto amin’ity lapa ity mihitsy ny mangarahara, hoy ny Depioite Jaona Elite, indrindra ny fitantanana ara-bola. Izahay etsy Atsimondrano no mipetraka nefa nahazo hafatra an-telefaonina hipetraka eny amin’ny Relais de la haute ville izay tsy zonay akory ka manahy ny amin’ny fanjavonan’ny vola amin’izany izahay. 100.000 Ar isan’andro anefa no saram-pivahiniana amin’izany. Nanamafy ny fisian’io toe-javatra io koa ny depiote Kathy avy any Mananjary fa anisan’ireo depiote nahazo fampilazana ny hipetrahany any amin’ny hotely raitra izy nefa tsy mankany akory ka nampanakoako ny feony mitaky ny mangarahara.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.