Taona maro izay no tsy nahitana fiovana ny distrikan’i Marovoay ao anatin’ny faritra Boeny. Misedra olana ireo mponina ao an-toerana noho ny faharatsian-dalana sy ny fambolena
Io faritra io anefa anisan’ny mpamokatra vary be indrindra eto Madagasikara. Nilaza ny solombavambahoaka lany tao amin’io disitrika io fa vonona ny hanova sy hitondra endrika vaovao ny tanàna izay tantaniny mandritra ny fotoana hitondrany ny distrikan’i Marovoay ao anatin’ny dimy taona. Anisan’ireo olona izay fantatry ny mponina ny fomba fiasan’io depiote izay nolanin’izy ireo eo amin’ny fampandrosoana ny faritra misy azy fony izy mbola ben’ny tanànan’i Marovoay ny taon-dasa teo. Tamin’ny fametrahana ny samboady io solombavambahoaka io ny faran’ny herinandro teo no nilazany ampahibemaso amin’ny hanatanterahany ny fanovana lehibe io ka efa saika ny lalana sy ny fanarenana ireo tohadrano simba ao no laharam-pahamehana amin’izany. Tsara ny manamarika fa anisan’ireo solombavambahoaka tsy miankina ity lany ity ka niditra ho fianakaviamben’ny antoko HVM. Nampanantena i Sahoby fa efa eny am-pelatanan’ ny minisiteran’ ny asa vaventy ny tetikasa fanarenana ny distrikan’i Marovoay ka hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.