Politique

Depiote Rossy Niteny ratsy imasom-bahoaka


  • Talata 09 Jona 2015

Niarahan’ny rehetra nahita teny Namontana sy tamin’ny alalan’ny fahitalavitra TV Plus halina ny fihetsik’ireo solombavambahoaka MAPAR niezaka ny niaro mafy ny namany Lanto Rakotomanga teny Namontana, ary nahery fomba fiteny mihitsy tamin’ireo mpitandro filaminana aza

 

. Fa ny tena nisintona ny sain’ny rehetra dia ny fihetsiky ny depiote Rossy izay nanao bontolo saika hitsoraka sy hitsambikina ho eo amin’ilay fiaran-dRamatoa Lanto Rakotomanga ary nanosika mihitsy ny mpitandro ny filaminana, tsy fantatra hoe hanao inona. Tsy vitan’izay fa dia niteny ratsy ampahibemaso manoloana ireo mpitandro filaminana ity depiote ity, efa tahaka ny hoe manompa mpitandro filaminana am-perinasa mihitsy, izay fihetsika tena melohin’ny lalàna eto amintsika tanteraka. Miankina amin’ireo mpitandro ny filaminana ny ho tohin’ny tantara. Afaka mitory izy ireo na manadino iny tranga iny. Na izany aza, fihetsika tsy dia mendrika loatra olom-boafidy ihany ny fitenenan-dratsy imasom-bahoaka tahaka ireny e !

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT