Politique

Depiote Rossy Nifona ampahibemaso


  • Alarobia 10 Jona 2015

Nifona ampahibemaso tamin’ny ankizy sy ny olona mpijery televiziona tamin’ny alatsinainy alina hifoha talata 9 jona teo ny depiote Rossy tao amin’ny fivoriana nitambaramben’ny Antenimieram-pirenena omaly talata hariva fa nampiseho fihetsika

 

tsy mendrika tsy tokony ho hitan’izy ireo akory toy ny teny ratsy sy ny fanoherana mpitandro ny filaminana tamin’ireny fotoana ireny. Nambarany moa fa niakatra avo loatra ny maripana teny Namontana noho ny tsy fanajana ny andrim-panjakana mpanao lalàna nampiharin’ireo mpitandro ny filaminana tamin’ny olom-boafidy. Nitovy tamin’ny hevitry ny ankabeazan’ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza omaly moa ny heviny ny amin’ny filazana fa voahosihosy ny hasin’ny depiote ankehitriny izay manameloka tanteraka ireny fihetsika natao tamin’ny depiote voafidy tao amin’ny Boriborintany faharoa ireny. Tamin’ny fanambarana nataon’ireo depiote ireo moa dia nisy ny fangatahana ny hialan’ny jeneraly Florens lehiben’ny Emmofar noho iny trangan-javatra tamin’ny alatsinainy alina iny.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT