Henoheno androany maraina, ary miparitaka aty amin’ny hafatra amin’ny findainay aty fa misy teratany Rosianina 4 any ahiahiana, hoy ny fanambaran’ny depiote Rakotomanjato Rodin omaly.
Mandeha ny feo fa efa any anaty tobin’ny mpitandro ny filaminana any ireo. Nisy moa ny resaka niely tamin’ny fahatongavan’ny mpanao basikety avy amin’ny Club Sportif de l' Armée de Saint Petersbourg avy any Rosia nifanandrina tamin’ny All-Stars Du President ny 20 aprily, fa nisy tamin’ireo vahiny no nalaza ho mpitifitra kalaza na irony antsoina ho ”tireur d’élite” irony. Tsy misy afaka ny hanamarina mivantana izany, saingy io no tonga amin’ilay fitenenana hoe ny ahiahy tsy hihavanana. Ny resaka tahaka izao rahateo no anisan’ny natao fitaovana nanenjehana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2009, saingy miverina indray izy izao raha mitombina tokoa. Tetsy an-kilany, niantso ny mpitandro ny filaminana tsy hanaiky hampiadiana ny depioten’ny fanovana, ary samy zanak’ity tany ity rahateo, ka hoe olona avy any ivelany no hekena handatsa-dra ny Malagasy, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote Rakotomanjato Rodin. Ao anatin’ny ampamoaka ihany, dia nisintona ny sain’ny mpitandro ny filaminana amin’ny resaka tetibola ho azy ireo ity depiote ity, ka nambarany fa midangana be ny tetibola, saingy mba tonga any amin’ireo mpitandro ny filaminana aty ambany tena miasa tokoa ve ? Efa nanao ny hetsika ny polisy satria nampanontany tena azy ireo ny niafaran’io vola be io. Ny zandary na ny miaramila dia efa nahazo akanjo tany amin’ny sinoa. Ny tetibola nakarina be dia be ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ary tafiditra ao ny akanjo, saingy toa tsy hita eny amin’izy ireo izany. Zonay ny manao tatitra satria volam-bahoaka tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana izany, ka sao lahy ho toy ilay dahalo niova fo tany atsimo hoe vola eraky ny fiara “bachet” no nentina kanefa mety tsy nisy na dia iray sakaosy akory aza mba nozaraina tamin’ny zandary nanao fampandrian-tany, hoy hatrany ny depiote Rakotomanjato Rodin. Tsara ny manamarika nametrahana “camera” miisa 3 eo amin’ny trano lehibe ambanin’ny Hotely Colbert, hanaraha-maso ireo mpitolona manao “sit-in” eo amin’ny HCC Ambohidahy, ka hita nanomboka omaly izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.