Tena zava-nisy ny teny midina avy any amin’ny fitondram-panjakana tamin’ny fanakanana ny prezidŕ Marc Ravalomanana tsy hahazo hiteny tany Ambositra sy Antsirabe, hoy ny depiote Ravelonanosy Mamy Tiana avy any Ankazobe.
Tany Ambositra, hoy izy, dia ny filohan’ny FJKM mihitsy no nampitana ny hafatra ka nampita izany tamin’ny filoha lefiny avy eo. Resaka fivavahana anefa no natreha tany, hoy izy, satria famaranana ny fihaonamben’ny sekoly alahady FJKM. Tany Antsirabe indray dia efa nirava tany amin’ny 4 ora hariva tany ny hetsika tao amin’ny Magro tany an-toerana vao hoe mahazo miteny indray i Dada. Ny olona anefa efa niparitaka daholo. Marihako, hoy ity depiote ity, fa ny TIM mihitsy no iniany sakantsanana foana amin’ny ataony. Hatrany aminay any Ankazobe aza dia tratr’izany satria any aminay dia efa niova ny arofenitra ka ny sefo disitrika no miteny aorian’ny solombavambahoaka mba hanindriana izay tiana ho tsindriana. Ny sefo disitrika niteny ihany koa fa tsy mahazo fihaonana isam-bolana ny solombavambahoaka. Tena efa fisehoana fanampenam-bava sahdy izany aminay. Milaza ny tenako fa tokony hampiseho ny herintsika sy ny firaisankinantsika isika dia ho hitantsika eo ny ho tohiny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.