Nanome voninahitra ny fankalazana ny andron’ny Vehivavy tao amin’ny distrikany ny solombavambahoakan’Antsirabe faharoa manadahy dia Atoa Randrianantenaina José sy Rtoa Ravelohanitra Nirina izany,raha toa ka nisy ny hetsika rezionaly nankalazan’ny faritra izany tany Antanifotsy.Nampiseho ny fananany solombavam-bahoaka vehivavy rahateo ny Distrikan’Antsirabe faharoa ka dia niavaka tanteraka ny fankalazana
.Hetsika maro samihafa no natao,izay natomboka tamin’ny fiaraha-nivavaka teo anivon’ny fiangonana Loterana Malagasy ny fotoana,narahina diabe nataon’ireo mpianatra sy ny fikambanam-behivavy ary nisy ny “Zumba” hoan’ny daholobe teo amin’ny kianja malalaky ny tokotanin’ny kaominina. Ankoatra izay dia nisy ny fizarana fanamiana nataon’ny Rtoa Ravelohanitra Nirina,ho an’ireo vehivavy nandray anjara.Saika ny vehivavy avokoa moa no tompon’ny fitenenana nandritra ny hetsika ka nibahana ny fanentanana ny vehivavy handray anjara bebe kokoa eo amin’ny raharaham-pirenena ary Ramatoa Solobavambahoaka no namarana izany amin’ny maha reny mpiahy ny hetsika azy.Nambarany fa mbola tsy ampy ny fandraisan’andraikitra sy ny fanomezana andraikitra ny vehivavy raha hoan’ny Distrikan’Antsirabe faharoa raha ny Ben’ny Tanana no jerena saingy efa mivoatra ihany izany satria efa manomboka mahazo vahana ny fankalazana ary efa miakatra ny tahan’ny toerana raisin’ny vehivavy raha tarafina ao amin’ny Antenimieram-pirenana satria mba efa misy 20% izany.Notsahiviny fa tsy ny andron’ny 08 Martsa ihany no tokony hankalazain’ny Vehivavy fa mbola eo ny andron’ny vehivavy Afrikanina izay manakaiky kokoa antsika,hoy izy izany 31 jolay no fankalazana izany.Nandritra ity fihaonana ity moa no nanolorany hoan’ny Lehiben’ny Distrika ny tatitry ny fivoriana rehetra nataon’ny solombavambahoaka,izay efa nataony an-tsoratra ka ho zaraina hoan’ireo fokontany rehetra manerana an’Antsirabe faharoa.
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.