Politique

Depiote Ravelohanitra Nirina Nizara vary ho an’ny vahoaka sahirana


  • Talata 17 Martsa 2015

Izany tokoa no hoe : “Ny an-tsaha tsy miakatra, ny an-tanana lany” taorian’iny orambe sesilany iny. Misedra fahasahiranana ny mponina ambanivohitra noho izany satria sady tsy mahita karama ny mpanao saraka an-tsaha no tsy misy vokatra azo hanina.

 

 Tsy nitazam-potsiny izany ny Solombavambahoaka Ravelohanitra Nirina. Ny sabotsy 14 martsa lasa teo dia ny kaominina Belazao no notsidihiny. Nivatsy vary 3 taonina nozaraina tamin’ireo tantsaha tra-pahasahiranana ny tenany ka olona nanodidina ny 400 avy any amin’ireo fokontany 7 no nisitraka izany. Nambarany fa tsy vao sambany akory no nanaovany hetsika toy izao fa efa fanaony ny manampy ireo olona soloiny tena. Efa nisy ny fizarana akanjo ho an’ny mpianatra sy ankizy ary ny olon-dehibe tamina kaominina maromaro nialoha izao, izay matetika arahina fizarana vary toy izao koa ary mbola tohizana hatrany. Tsy natao hahavita taona akory fa hanamaivana ihany ny fahasahiranan’ny mponina amin’izao maitso ahitra izao. Nampanantena ny tenany fa mbola ho avy ny anjaran’ireo kaominina hafa ao amin’ny Distrikan’Antsirabe faharoa. Niara-dalana taminy tamin’izao hetsika izao moa ny misionera Koreanina Tatsimo, izay mazoto manohana ity solombavambahoaka tanora sy mavitrika ity.

Caïus Raharison


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT