Ny Kaominina Ambohimiarivo, Distrikan’Antsirabe faharoa indray no notoloran’ny Solombavambahoaka Ravelohanitra Nirina fanomezana ny faran’ny herinandro.
Toy ny mahazatra azy dia mitondra hatrany izay voatsirambin’ny tanany izy ka tantsaha niisa 500 eo ho eo no nizarana vary 5 kilao isan’olona avy amin’ireo fokontany mandrafitra ny kaominina. Nambarany fa na dia efa antomotra aza ny fararano dia be ireo vokatra no potika sy simba ka mitarika fahasahiranana ho an’ireo tantsaha. Tsy hijanona amin’izao fizarana vary izao moa ny asa soa ataony amin’ireo kaominina hiadidiany fa mbola hivelatra bebe kokoa amin’ny fotodrafitrasa maharitra toy ny fanaovana sekoly sy ny rano fisotro madio sy ireo maro hafa. Samy manana ny laharam-pahamehana ho azy, araka izany, ny kaominina tsirairay ka efa eo am-pandinihana izany izy ireo amin’izao fa ny maika moa dia ny fanampiana ny olona amin’ny sakafo toy izao. Amin’ity herinandro miditra ity moa dia mbola hisy ny fidinany any amin’ireo kaominina hafa indray ka hizarany fanomezana toy izao ihany koa. Ankoatra ireo olona efa notsongaina isam-pokontany moa dia tonga marobe ny olona nanotrona ny fizarana satria sambany mba nisy solombavambahoaka nizara vary maimaimpoana tsy amin’ny andron’ny fifidianana izany.
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.