Noho ny fahafantaran’ny vahoaka ny asa soa fanaony dia tsy nisalasala ny fokonolona tao amin’ny fokontanin’i Maizinandro, amin’ny arabe midina eo amin’ny Villa Berlin Ambatoroka mihazo ny sekoky Espoir, niantso ny depiote Rastany na Randrianarisoa
Stanislas avy amin’ny Boriborintany faharoa eto Antananarivo Renivohitra hamaha ny olana nianjady tamin’izy ireo nandritra ny roa volana noho ny fanidian’ny olona vao nividy tany tamin’ny fananganana tamboho ny lalana falehan’ny daholobe ka nahavoatery azy ireo nihodina hatrany amin’ny 2 km. Tsy nanaiky ny hamahana ity lalana ity intsony ilay nividy ny tany raha tsy novidian’ny fokonolona io ampahan-tany misy ny lalana io izay tafiditra tao amin’ny faritra novidiany, hoy izy. Teo no ho eo dia naloan’ny depiote Rastany ny lelavola an-tapitrisany voalaza fa vidin’io ampahan-tany io. Na dia hoe mpanao lalàna aza no andraikitray depiote amin’ny ankapobeny dia efa nilokaloka ny tenako, hoy ny depiote Rastany, fa tsy maintsy manampy ny olona eny amin’ny Faritra nifidy ahy aho amin’ny olona rehetra mianjady amin’izy ireo, satria tsy depiote hiaingitraingitra no nifidianana anay fa depiote handray andraikitra hanampy vahoaka. Mikasika ny lalana eo Andohan’i Mandroseza izay simba lava isaky ny fahavaratra dia efa nanome hevitra ny mpanatanteraka ny asa sy ny tompon’andraikitry ny CUA ny tenako, hoy ity depiote ity, fa diso ny “etude” natao tamin’izy io, Ka amin’ny maha injenieran’ny asa vaventy ahy dia vonona ny hitondra ny anjara birikiko amin’ny fanarenana an’izy io ny tenako raha ilain’ny tompon’andraikitra sy mpanatanteraka ny asa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.