Politique

Depiote Rastany sy ny “Croix Rouge Malagasy” Nanolotra tranolay hamonjena ireo traboina


  • Alatsinainy 02 Martsa 2015

Araka ny fantatra dia tsy misy tranolay azon’ny BNGRC hatolotra ireo faritra hisiana traboina intsony ao aminy ka nitady hevitra hafa hamaliana ny fangatahan’ny filoham-pokontanin’Andohanimandroseza, Rakotorahalahy Paul Nestor,

 

ny hanomezana tranolay hametrahana ireo traboina eny amin’ny Boriborintany faha-2 ny depiote Rastany na Randrianarisoa Stanislas lany tao amin’ity toerana ity. “Nihetsika avy hatrany fa tsy afaka ny hitazam-potsiny ny fahavoazan’ny mpiara-belona ny tena na dia mpanao lalàna aza no tena asan’ny solombavambahoaka”, hoy ity depioten’ny Boriborintany faharoa ity. Nitady vahaolana hafa ary nahazo fiaraha-miasa tamin’ny filohan’ny “Croix Rouge Malagasy” ka tranolay 5 no azo tamin’ity farany ary nametrahana traboina 36 isa avy hatrany aloha ny iray araka ny toerana nomen’ny lehiben’ny fokontany. Ny tranolay roa hafa kosa dia mbola hiandrasana toerana malalaka sy azo antoka homen’io filoham-pokontany io ihany. Raha ny fantatra dia efa niakatra ho 91 ireo traboina ao Andohanimandroseza raha 18 izany teo aloha. Nanjary nisy traboina 38 koa ao Ambohimiandra raha tsy nisy izany nandritra ny rivodoza farany teo. Efa ahitana izany koa eny Androndrakely sy faritra hafa ao amin’ity boriborintany faha-2 ity. Ny sabotsy teo moa ity depiote ity dia mbola nijery ny zava-nisy teny ambanin’Ambohidempona nahitana maty 1 ary teny amin’ny fiantsonan’ny zotra teny Ankatso koa mba nisy maty 3 hafa. Mbola nanolotra tranolay iray hafa ho an’ireo traboina indray izy teto.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT