Politique

Depiote Randrianasolo Jean Nicolas Tsy nahomby ny fampihavanana nataony


  • Alarobia 23 Septambra 2015

Efa lasa eny anivon’ny fitsarana ve ny raharaha vao hidina hampanao fampihavanana ny depiote Randrinasolo Jean Nicolas


. Izany no ambetin-dresaky ny vahoaka ao Betroka momba ny fandaminana saika nataon’ity olom-boafidy ity tany Ianakafy Betroka ny herinandro lasa teo. Raha fehezina dia tsy nahomby ny fandamianana saika hataon’ity parlemantera ity. Ny alakamisy sy zoma teo dia nidina tany an-tanindrazany tany amin’ny fokontany Andriabe izay ao anatin’ny kaominin’i Ianakafy, distrikan’i Betroka Randrianasolo Jean Nicolas, saika handamina ny disadisa nisy nateraky ny nahafatesan’i Tsihargny Retana kandida tsy miankina avy amin’ny fikamban’ny Firaisankina tao Ianakafy nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo. Tsy nety namaly ny antson’Atoa depiote ireo havan’ny maty na dia nisy aza ny fampiantsoana mba hifandaminana.

 

Niray tsikombakomba ?

Tsy manaiky izahay hoy ny nanana ny maty raha tsy manatrika eo ihany koa Atoa Fety Mana, ben’ny tanàna amin’izao fotoana sady kandida natolotry ny antoko Hvm ary notohanan’ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas. Anisan’ny iantefan’ny ahiahin’ny mponina any an-toerana ho niray petsapetsa tamin’ny famonona ity kandidan’ny Firaisankina ity mantsy ny kandidan’ny Hvm Fety Mana noho izy mpifaninana mivatana taminy nandritra ny fifidianana.Efa niakatra fitsarana ity raharaha ity ary nisy olona dimy naiditra am-ponja vonjy maika ka anisan’izany ny ben’ny tanàna Fety Mana saingy nahazo fahafahana vonjy moa ny tenany. Eo imason’ireo mponina any ambanivohitra dia noho ny fanohanan’ny depiote azy no nahazahoany fahafana vonjy maika ka vao mainka nampanano-sarotra ny fampihavanana.


 

Ra-Bri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT