Manoloana ny fikasan’ny vondrona MAPAR hanaisotra ireo depiote niova loko araka ny filazan’izy ireo dia manambara ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Betroka, Randrianasolo Jean Nicolas, izay voakasik’izany raharaha izany fa tsy matahotra ny fandrahonana fandroahana izy.
« Tsy mitombina ny fampiatoana anay amin’ny asa maha Solombavambahoaka satria ny tenako dia tsy nanao fahadisoana. Tsy nanongam-panjakana aho ary tsy mikasa hanao izany. Ireo izay mikasa hanao izany no tokony halana tsy ho depiote intsony », hoy ity Solombavambahoaka ity.
Etsy an-kilany ireo Solombavambahoaka miara-dia amin’i Andry Rajoelina dia tsy mitsahatra mivory ary nanambara fa tsy hihemotra intsony io fangatahana ny fampiatoana ireo depiote Mapar niova loko ireo. Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izany no ho tompon’ny teny farany amin’ity raharaha izay nampivakivaky ny vondrona Mapar ity.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.