Politique

Depiote Randrianasolo Jean Nicolas Ravao ny governemanta hiarovana ny fitondrana


  • Alatsinainy 08 Septambra 2014

Nandefa hafatra mahitsy dia mahitsy any amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’ny tokony handravany ny governemanta mba hiarovana izao fitondrana izao, araka ny nambarany

ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas voafidy tany Betroka. Mamparefo fitondrana ireny fihetsiketsehana maneho fitakiana maro samihafa ireny, hoy izy.  Fingana ao anatin’ny governemanta no miteraka azy ireny, ho azy, satria zara raha misy olon’ny filoham-pirenena ao anatiny ao fa rafitra mbola natao dika mitovy na kopi kole tamin’ny governemantan’ny marimaritra iraisana io misy ankehitriny io. “Tsy nanohana ny filoha Rajaonarimampianina hatrany am-boalohany ny 90%-n’ireo nampidirina anatin’ity governemanta ity”, hoy ny depiote Nicolas. Nanohana ireo mpifaninana taminy ny maro tamin’ireo minisitra ankehitriny tamin’ny fihodinana voalohany  saingy nitodika taty aminy, nitangirika toerana, rehefa tsy tafiditra tamin’ny fihodinana faharoa ny olony. Mazava loatra fa tsy maintsy hiasa ho an’ny antokony hatrany ireo minisitra ireo ka hanipy hoditra akondro ho an’ny filoha. Tena ilaina hosivanina ny manodidina ny filoham-pirenena, hoy ity solombavambahoakan’i Betroka ity mba hahazoana manilika an’ireo mpamahan-dalitra azy.  araka ny fijerin’ity solombavambahoaka mpanohana ny fitondrana ity, hampidarabohana izao rafitra izao, hisian’ny fifandimbiasan-toerana indray. Ilaina ihany koa ny hanasivanana ny manodidina ny filoham-pirenena, hanilihana ny mpamahan-dalitra sy mpitondra vaovao mandiso ny kajiny, hoy ity depiote miara-miasa akaiky aminy ity. Olona tokony handray fanapahan-kevitra hentitra ny filoham-pirenena nefa mahagaga sy mampiahiahy ny mpanohana azy, ao anatiny ny amin’ny antoko “Groupe des jeunes malgaches patriotiques” (GJMP) tarihiny, ny fahanginany manoloana ireo tranga rehetra misy ankehitriny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT