ena efa tsy rariny intsony ny mahazo ireo vahoaka ao amin’ny Fokontany Ampefiloha Ambodirano. Tonga eny am-baravarankely mihitsy ny haavon’ny rano ho an’ireo trano sasany
T. Milona ao anaty rano ireo ankizy na antoandro na alina. Ny ankabeazany moa tsy manana fianakaviana afaka mampiantrano azy dia voatery mijanona ao na dia efa latsak’aretina kohoka, gripa ary tazo mahery mihitsy aza. Efa ho iray volana izao ny depiote Randriamandimbisoa Félix no niantso ireo tompon’andraikitra ao amin’ny BNGRC, APIPA, Kaominina Antananrivo Renivohitra ary ny minisiteran’ny Atitany, nefa dia samy tsy nahitana vahaolana mahafapo. Omaly kosa kosa dia tonga namangy teny an-toerana ny minisiteran’ny rano sy ny Fanajariana ny tany dia nanambara hanao fanamboarana ho vahaolana maharitra.
Ny depiote Felix moa dia tonga ary nitondra ny tsirambin’ny tanana mba hanampiana amin’ny hofan’ny «moto pompe» sy ho gazoala satria ny vahaolana maharitra dia ny fanamboarana ny bizo eo Ampasika sy ny famakiana ny lalana mba hivoahan’ny rano haingana, izay mbola mety haharitra 15 andro eo ny fanamboarana, nefa ireo vahoaka dia efa reraka sy osa tanteraka ka mila vahaolana anio dia anio, dia ny fanalana ny rano amin’ny «moto pompe» isan’andro. Nanao antso avo koa ity depiote ity mba tsy ho kobaka am-bava fotsiny fa tena hanomboka avy hatrany ny asa ary tsy hijanona raha tsy mivoaka ny rano. Azo atao ny mametraka “Pont Bailey”, hoy izy mba tsy ho tapaka ny lalana toy ny natao teny Besarety. «Miantso ireo malala-tanana koa mba samy hitondra izay foy fa tsy fidiny ho an’ireto vahoaka anie ny nipetraka eny ambany tanàna» hoy ny depiote, fa ny tsy fisian’ny lamina ka tsy mba nanaovan’ny fanjakana ny «logements sociaux» ho an’ireo sahirana, na ny fanaraha-maso ireo mpanori-ntrano eny ambonin’ireo bizo ka nahatonga izao fihangonan’ny rano izao. «Tsapa ankehitriny fa tena mila olona matotra sy tompon’andraikitra isika raha tiana ny hivoahana ato anaty fahasahiranana toy izao, be loatra ny tsy mandeha amin’ny laoniny ka ny vahoaka madinika no mizaka ny tsy eran’ny aina», hoy hatrany ity depiote ity.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.