“Mba avereno eo Faravohitra ny filoha Marc Ravalomanana fa fotoana tokony hifamelana izao ankatoky ny krismasy izao”, hoy ny depiote Randriamandimbisoa Félix, voafidy tao Antananarivo IV omaly raha nanolotra aron’akanjo 40 isa miampy fitaovam-pifandraisna “Talkie-Walkie” miisa 4 ho an’ireo an’ireo mpiandry tsena ao Anosibe, hanamora ny asan’izy ireo. Fanombohana ihany izao
, hoy izy, fa ny tsena rehetra dia hahazo izao fitaovana rehetra izao. Nampahatsiahy ny depiote Randriamandimbisoa Félix fa ity Boriborintany faha-4 ity dia anisan’ireo nahazo tombontsoa be indrindra tamin’ny Filoha Marc Ravalomanana teo amin’ny totodrafitrasa raha tsy hitanisa afa-tsy ny tsenan’Anosibe, dia ao ireo Pavillon fivarotana maro, ny toeram-pidiovana sy fivoahana ho an’ny daholobe, ny lalana izay mikodana manome endrika ny tanàna... Mahatsiaro izany ity depiote ity dia “nanao antso amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina mba hampitony ny hambompony ka hampody an’Atoa Marc Ravalomanana eny Faravohitra indray, indrindra fa amin’izao ankatoky ny krismasy izao. Izany dia ho firosoana any amin’ny fifamelana ka ho tonga any amin’ny fampihavanana satria izany no andrandrain’ny vahoaka, indrindra ireo sahirana”, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.