Milamina, hoy ny depiote Raherisoa Vololona Victorine voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-VI eto Antananarivo Renivohitra raha ny fiaimpianan-dry zareo solombavambahoaka niatrika ny fivoriana ara-potoana nifarana teo iny....
Tsy hiombonako hevitra amin’ny hafa, hoy izy, izany fisiana na fambolena savorovoro ety Tsimbazaza izany. Angamba misy ny tsy fitovian-kevitra nefa amin’ny maha lehibe loatra ny raharaham-pirenena dia efa vita tany amin’ny fampielezan-kevitra ny adilahy sy fifanasana vangy fa eto dia ny asa no jerena, indrindra izaho dia anisan’ny nametraka an’io fitondrana mijoro io ka ny hampandroso ny asa no tanjona fa izay no andrasan’ny vahoaka nifidy ny tena. Koa dia hohalaviriko izany fihetsika mety hitondra fanakorontanana izany. Mazava ho azy fa tsy mahalala ary tsy ho ao anatin’izany resaka fitsipaham-pitokisana voaresakareo ety izany ny tenako. Raha ny tazana eny Tsimbazaza eny tokoa aloha dia toa tsy mifandrairay tendro amin’ireo namany Mapar nitana toerana tao anatin’ny birao maharitra teo aloha notarihan-dRtoa Razanamahasoa Christine firy intsony ity solombavambahoaka avy eny Ambohimanarina ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.