Fantatra teny Tsimbazaza omaly talata, tao anatin’ny fivoriana nitambarambe nataon’ireo solombavambahoaka fa hisy ny fihaonana eo amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ireo solombavambahoaka anio alarobia 01 jolay.
Nohamafisin’ny depiote avy any Soavinandriana, Rabenerika Charlot, izany teo am-pivoahana ny fivoriana ka nilazany fa hisy tokoa solontenanay solombavambahoaka hihaona sy hifampiresaka amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny alarobia 1 jolay amin’ny 11 antoandro fa ny toerana no nambarany fa tsy voafaritra mazava mba hisian’ny fiarovana ny rehetra angamba. Raha ny hevitro manokana, hoy ity depiote ity, tokony hivavaka mihitsy isika mianakavy ny hahatanteraka ny fifampiresahana. Mikasika ny nandanian’ireo depiote ny volavolana fandaharam-potoana narafitry ny birao maharitry ny Antenimiera ka nasian’izy ireo fanovana ny amin’ny nanesorana ireo fihaonana amin’ireo minisitra isan-tokony dia nanambara ity depiote avy any Soavinandriana ity fa ny tsy naneken’ny minisiteran’ny serasera ny handefa mivantana ny dinika am-bava hifanaovana no antony izany fanafoanana izany ka nanjary naroso ho amin’ny zoma tolakandro amin’ny 4 ora indray ny famaranana ny fivoriana ara-potoana ety Tsimbazaza raha ny sabotsy 4 jolay no efa voafaritra fa hanaperana azy. Tsy adala akory izahay depiote, hoy izy, amin’ny maha olomboafidy misolotena ny vahoaka anay fa olobe efa mahafantatra tsara izay hambara izahay ka mahagaga anay ny hatahoran’ny minisitry ny serasera amin’ity resaka mivantana ity. Sahirana ny vahoaka ankehitriny, hoy izy tamin’ny farany, ka nisafidy ny nitarika lanonana tany amin’ny faritra ambanivolo tany Soavinandriana izahay tamin’ny 26 jona ary voatery namaly ny fanontanian’ny mponina amin’ny tsy nahavitana ny lalana nampanantenaina hovitaina tamin’ny andron’ny fampielezan-kevitra niaraka tamin’ny kandida Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fotoan’androny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.