Tontosa soa aman-tsara ilay fihatahana kely na “excursion” nataon’ireo depiote tany Ampefy tamin’ny sabotsy sy alahady teo
Araka ny vaovao voaangona avy tamin’ny firesahana tamin’ireo solombavambahoaka nandeha tany Ampefy dia fanehoana ny firaisankinan’ny samy solombavambahoaka no tena nokendrena tamin’iny hetsika iny ary dia tontosa tamin’ny an-tsakany sy an-davany izany satria saika hita tany an-toerana avokoa rehefa mety ankolafina vondrona parlemantera rehetra misy eny amin’ny Antenimiera. Ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max tenany moa no nitarika an’ireto namany tonga tany Ampefy ka nisy ny ampahany niara-nody taminy tamin’ny harivan’io sabotsy io ihany, ary nisy kosa ny nisafidy ny hatory tany Ampefy ka ny alahady 14 desambra vao nitodi-doha taty Antananarivo sy tany amin’ny toerana niaviany. Noho ny fangatahan’ny maro, hoy ny feo heno teny Tsimbazaza, dia notolorana taratasin-tsolika manokana roa avy tamin’ny 40.000 Ar ireo rehetra nihazo an’Ampefy ary voalaza fa tsy misy izany fizaram-bola hafa ankoatra an’izay araka ny feo nandeha. Inona moa izany fa tsy izay ilay tonga amin’ny fitenenana hoe : ny avo ihany no tovonana e !
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.