Politique

Depiote Nina Tsy manaiky ny hizarazarana an’Antananarivo Renivohitra


  • Alarobia 13 Aogositra 2014

Tsy marina ny filazana fa tsy hita fotoana maharitra tany Mahajanga ny tenako, hoy ny depiote Rahantanirina Lalao na i Nina voafidy tao an-drenivohitry ny voninkazo. Vao tafaverina avy any aho izao, hoy izy, ka nahita ny fandehan-draharaha tao saingy tsy afaka niditra lalina amin’ny fandaminana ny oniversite any an-toerana

Mandainga ny tena raha hilaza fa milamina any an-toerana, tena misy savorovoro ao. Efa nisy “feuille de route” nifanarahan’ny rehetra tao amin’ny oniversiten’Androva tao, saingy nisy taty aoriana tsy fanarahana izany. Nahagaga ahy tokoa iny resaka fanalana tamin’ny toerany ny filohan’ny oniversiten’i Mahajanga tampoka teo iny nefa voafaritra tao anatin’ny fifanarahana izy iny. Nampalahelo ny fanadinan’ny mpianatra tsy tanteraka tamin’ny alatsinainy raha simban’ny resaka politika nefa eny amin’ny oniversite tsy tokony hidiran’izany. Nahafaly aloha ny fandaminana natao ka nanombohan’ny fanadinana androany talata 12 aogositra sy hamerenana ny tsy vita tamin’ny alatsinainy amin’ny zoma izao. Miantso ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny vahoakan’i Mahajanga ho tony sy tsy hety holalaovin’ny mpanao politika ny tenako, hoy ny depiote Nina. Mikasika ny vinavina fizarazarana an’Antananarivo renivohitr’i Madagasikara ho kaominina 6 dia nilaza ity depiote avy any Mahajanga ity fa efa ela no naha Antananarivo azy ka tsy laharam-pahamehana ny fizarazarana. Tokony ho naka hevitra tamin’ny vahoaka aloha izay namolavola ity hevitra ity raha te-hanao izany fa tsy nanao kajikajy politika ambony ihany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT