Politique

Depiote Nina tany Mahajanga Manitsakitsaka ny fampihavanam-pirenena ny mpitondra


  • Alakamisy 28 Aogositra 2014

Dradradradraina etsy sy eroa amin'izao fotoana izao ny "fampihavanam-pirenena", hoy ny depiote Raharinirina Lalao Nina voafidy tao Mahajanga I, tamin’ny fotoana nametrahana ofisialy ny samboady teny aminy ny zoma lasa teo, kanefa ny mpitondra fanjakana indray no manitsakitsaka izany.

Tsy nisy tonga nanatrika ity fotoana ity na dia nasaina aza ny Lehiben'ny Faritr’i Boeny, ny Pds-n’i Mahajanga I, ireo mpitandro ny filaminana, ny Sefo distrika hatramin’ny Sefo fokontany. Nisy baiko avy any ambony, hono, tsy nahafahan'izy hanatrika izany fa lasa tany amin’ny hetsika iray nomanin’ny mpitondra fanjakana nifanandrify tamin’io hetsika io tany amin’ny toeran-kafa, tany amin’ny « bord, petite plage, grand pavois ».  Nasehon'ireo Solombavambahoaka avy amin’ny firehana samihafa tonga tany an-toerana kosa anefa, nahitana ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, ny Vpm Mmm, ary ny Mapar fa iray tsy mivaky izy ireo na dia eo aza ny hevitra ara-politika tsy hitoviany. Taratry ny firaisam-pirenena hatombokay depiote izao hoy ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritanin’Antsiranana, ny depiote Freddie Mahazoasy, ka tokony halain'ny mpitondra mpanatanteraka tahaka. Tsy hiteraka fampandrosoana sy fandriampahalemana ny fizahozahoana sy fanaovana tsinontsinona ny hafa nefa samy mpitondra  ihany, hoy izy fa tokony hiainga avy any ambony ny ohatra hatolotra ny vahoaka, fa raha tsy izany dia lasa mpitari-bato vilam-bava fotsiny amin’ilay resaka fampihavanam-pirenena.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT