Vao tonga tao Mahajanga ny depiote Nina (Mapar) dia efa nandeha ny baiko nomena ny mpitandro ny filaminana fa arahina maso akaiky izy. Voalaza fa nitondra vola be entina hanakorontanana ny fetim-pirenena tao Mahajanga ny tenany.
Mety hosavaina mihitsy ny tranony satria dia ahiahina ho misy io vola io ao aminy. Nanazava anefa Rtoa depiote fa zony ny hanana vola ana miliara ary tsy mbola misy ny lalàna nilaza fa tsy azon’ny olona iray atao ny manana volabe. Nanamafy hatrany izy fa tsy manana vola entina hanakorontana ny fety 26 jona ao amin’ny tany niaviany fa noho ny maha fetim-pirenena dia tonga hanotrona ny tenany. Nametraka fitoriana mikasika ity tsaho miely ity izy amin’ny fiarovana ny ainy sy ny fianakaviany satria dia mety hitarika tsy fandriampahalemana eo aminy izao famoronan-dainga ataon’ny fitondrana aminy izao. Voalaza hatrany anefa fa mety hosamborina izy raha toa ka manana porofo mazava ny mpitandro ny filaminana mikasika ity vola be izay lazain’ny sasany ity. Misy amin’ireo mpitandro ny filaminana ao Mahajanga no nanome io loharanom-baovao io an’ity solombavabahoaka ity fa tokony hitandrina izy ary terena hisambotra azy mihitsy izy ireo. Nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena tao Mahajanga dia tsikaritra fa nampitomboina ny isan’ireo mpitandro ny filaminana, indrindra ireo manao fisafoana manodidina ny tanàna. Tsy nametraka olana amin’ity filazana ho mitondra vola be ity anefa ireo mpikambana ny vondrona Mapar tao Mahajanga fa miandry hatrany ny toe-javatra miova. Voalaza fa misy ireo vondron’olona tsy mankasitraka ny mety hisamborana ny depiote Nina ao Mahajanga ao. Ho hita eo ny tohin’ny tantara.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.