Nampiaka-pofona an-dRivo Rakotovao, filoha nasionalin’ny antoko HVM ny fanambarana niendrika ampamoaka nataon’ny depiote Razafindrafito Lova Narivelo na Popil tany Fianarantsoa nandritra ny hetsi-bahoaka notarihin’ny depioten’ny fanovana ny sabotsy 5 aprily teo.
Tsy ekentsika izany kolikoly izany fa mamotika an’i Madagasikara, ary raha any amin’ny firenena hafa no manao izay efa nigadra, raha ny fanehoan-kevitr’io depiote io. “Mamono ny vahoaka ny filoham-pirenena Rajaonarimampiesona”, hoy izy, ka nilazany hoe: ny filoham-pirenena mihitsy no niantso ny tenako ny 30 martsa amin’ny 12 ora sy sasany, ka hatramin’ny 2 ora sy sasany no niezaka izy nandamina ny saiko, nandemy ny atidohako. Ny ahy tsy mba 50 tapitrisa ariary fa 200 tapitrisa ariary, hoy hatrany ity depiote ity, raha tsiahivina. Nambaran-dRivo Rakotovao kosa fa fanosoram-potaka ireny ary tsy azo atao. Nitaky ny porofo moa ny tenany ary nilaza fa depiote efa noroahina satria niketrika ny fanesorana ny filoha i Popil, izay tsiahivina fa efa filohan’ny Vondrona Parlemantera HVM teo aloha. Mampirisika ny mpanatanteraka hanokatra fanadihadiana ary terena hitondra porofo raha manana. “Raha mba ianao no viravirainy, dia inona no ataonao ?”, hoy izy miantefa amin’ny orinasa mpampahalala vaovao namoaka iny fanambaran’ny depiote iny. Tsy tokony hanao izany, ka tsy azo ekena ary tsy afaka ny hanaiky izany izy ireo, raha ny nambaran-dRivo Rakotovao. Toa mbola nanangam-bovona indray aza ny tenany nilaza fa ianao no iza ? Misokatra indray aloha izany ny ady vaovaon’i Rivo Rakotovao amin’ity depiote ity, izay mazava ho azy fa mety mahalala tantara maro tao anatin’ny HVM noho izy efa filohana vondrona parlemantera. Matoa sahy mamoaka resaka mety manana ny porofo satria zavatra avo lenta ny resaka fanambazana vola ataona filoham-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.