Politique

Depiote nanongana ny filoha Hitory an’ny HCC


  • Alarobia 17 Jona 2015

Omaly vao namoaka ny fanapahan-keviny mikasika ny didy navoakan'ny fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana tamin'ny fitoriana nataony ny filoham-pirenena ireo solombavambahoaka nanao sonia izany



. Hitory an’ny filohan'ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana sy ny ekipany izahay, hoy izy ireo satria nanao fahadisoana teo am-panatanterahana ny asany izy ireo. Anisan'izany ny fotoana nandraisana ny fanapahan-kevitra izay hamehana loatra, ny valin-teny izay politika avy hatrany, hoy izy ireo fa tsy araka ny lalàna ary hita fa voabaikon'ny mpitondra tanteraka ankoatra ny tsy nanaovana izany ampahibemaso sy ny tsy namoahana azy tamin'ny vata fahitalavi-panjakana. Ny tena ratsy, hoy hatrany izy ireo dia ny fanitsakitsahana mivantana ny lalàmpanorenana tamin'ny alalan'ny fanirahana ny mpifanandrina  roa tonta hanao pacte izay tsy asan'ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana akory.  Vao mainka hihamafy ny tolona, hoy hatrany izy ireo. Niantso ny hery velona sy ny vahoaka rehetra izy ireo omaly mba samy handinika ny zava-misy eto amin'ny firenena ary hiara-kidinika amin'izy ireo hahafahana manapaka izay tokony hatao eto amin'ny tany sy ny  firenena. Marihina manokana moa fa ny kaomisiona politika no nanao fanambarana omaly raha efa natsangana ihany koa ny vaomiera hijery manokana ny raharaha Air Mad sy ny sampandraharahan'ny fananantany.

 


 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT