Nanamarika ny depiote Rabekijana Solofo Hery tao amin’ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehana tao amin’ny Lapam-panjakana tao Tsimbazaza tao, omaly, fa « 147 no isantsika depiote vaovao ankehitriny, 90 no nandany ny voalavolam-pandaharam-potoana teo ary 4 no nitsipaka.
Manodidina izay isa 80 na 90 eo foana anefa isika no tonga miatrika ny fivoriana eto amin’ity Lapa ity. Mba nankaiza ireo ambiny nefa toa misitraka ny zo fandraintsika ara-dalàna ihany izy ireo na tsy tonga mivory aza ? Inona no fepetra mba horaisintsika mikasika azy ireo fa manahirana ? » Tsy ela ny valin-teny avy amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena nilaza fa : « Efa nandefa hafatra aho tao amin’ny “conference des présidents” ny amin’ity resaka ity ka eto dia ambarako mazava fa AMPY IZAY NY ECOLE BUISSONNIERE fa handraisana andraikitra araka ny voalazan’ny fitsipika anatiny mifehy antsika solombavambahoaka ireo depiote tsy tonga mivory ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.