Politique

Depiote mpanohitra Tokony hitsangana fa tsy hiafinafina


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2015

Tonga ny fotoana hanambarana etoana, hoy ny depiote Raherisoa Vololona Victorine avy eny amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra.

 

Fa tokony hitsangana amin’ny maha izy azy amin’izay ireo depiote mpanohitra eny amin’ny Antenimieram-pirenena eny fa tsy hihazohazo tsy fantatra raha manohana na manohitra ny fitondrana nefa minia manakorontana saim-bahoaka hatrany. Raha ny marina, hoy izy, dia sahinay ny milaza fa efa nisy hatry ny elaela izay ny solombavambahoaka sasantsasany mitady seza na toerana hafa. Raha tsorina dia tena misy te ho minisitra mafy ao ka mamorona  kajikajy isan-karazany. Efa misy izao, hoy ity depiote ity, ny “majorité présidentielle” izay misy anay ka sahy nanao sonia an’ilay “Mémorandum” nolazain’ny filoham-pirenena satria resy lahatra amin’ny praograma navoakan’ny fitondram-panjakana amin’ny ankapobeny. Tokony hatao ny fifandresen-dahatra, hoy ny depiote Vololona, ary aleo hiasa ny filoham-pirenena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT